Accueil du site Annonces
 
Septembre 2018
LMMJVSD
272829303112
3456789
10111213141516
17181920212223
24252627282930

PASKA ANY LILLE.

Article publié le vendredi 7 avril 2006.


PASKA ANY LILLE
(Eglise Réformée de Lille, 15 rue Jeanne d’Arc 59000 Lille)

MKMB/FPMA Lille.

Ry namana isany,

Asaina isika mianakavy ho tonga hiara hivavaka any LILLE amin’ny Alahadin’ny Paska 16 Avrily hoavy izao . Fotoana iarahantsika eto Benelux amin’ny Kristiana Malagasy ao Lille io fotoana io . Toy izao ny fandaharana :

*11h30 -11h45 : Fifampiandrasantsika (ho an’ny mandeha fiarakodia) avy aty Belgique rehetra eo amin’ny "frontière" (direction Lille). Aoka hifampiantso raha sanatria misy fahadisoam-potoana kely. (0495 50 96 59).
*12h10-12h30 : fametrahana ny entana sy famoahana ny sakafo ary fandaminana latabatra, miaraka amin’ny namantsika ao Lille. ( Foyer Protestant 22, rue Jeanne d’Arc 59000 Lille, ampitan’ny fiangonana).
*12h30 - 14h30 : Fiarahamisakafo MKMB/FPMA Lille : samy mitondra ary iarahan’ny rehetra izay entinao .
*14h30 - 15h00 : Fandaminana miaraka sy famerenan-kira miaraka ataon’ny Antokompihira roa tonta. (Hira roa ny an’ny * Antokompihiran’ny MKMB miampy hira iarahana amin’i Lille : Faly Aho).
*15h30 - 17h30 : Fanompoampivavahana sy Fandraisana fankalazana ny fetin’ny Paska, hafanain’ny Antokompihira roa tonta (Belgique- Lille) sy ny "orchestre" Sekoly Alahady FPMA LILLE.
*17h30 - 18h30 : Fiaraha miala hetaheta farany (kafe, dite, mofomamy). Iangaviana isika mba samy hivimbina mofomamy na zavatra hafa azo ampiarahana amin’ny kafe -dite.
*18h30 : fanadiovana miaraka sy fodiana ary fanaterana ny namana hamonjy "Train".

Hoan’ireo handeha "train" : raisina eo amin’ny gare de midi . Miala ’Lille Europe". 31 Euros (A/R , mila réservation).
D : 9h25 na 11h01 A (Lille europe) :10h05 na 11h33 .
Fodiana : D (Lille Europe) : 19h20 na 19h32.
Azontsika atao ny miantso ny tompon’andraikitra MKMB ahazoana mijery toerana amin’ny manana fiara raha mbola malalaka (0495 50 96 59 (Hery), 0484 79 62 37 (Erik) , 0494 72 07 98 (Lalaina) , 0486 20 48 23 (Claude) .
Isika mitondra fiara ka manana toerana dia iangaviana indrindra mba hiantso ny mpandrindra ( Hery 0495 50 96 59)

Manantena dia manantena ny rodobe avy aty Belgique ny namantsika ao Lille ,koa maniry ny fahatongavantsika maro . Ento ny namana sy ny fianakaviana.
Manao ny mandrapihaona ho antsika mianakavy.

AZA ADINO NY FIARAHANTSIKA MIVAVAVAKA ALAHADY 30 AVRILY 2006 ao amin’ny BOTANIQUE. MISY FANDRAISANA. Mpitandrina : Patrick Evrard.

Ny komity MKMB.

Hery Rasoamanana,
Mpandrindra.



Forum de l'article

M.K.M.B. M.K.M.B.-20 Date de heure de Bruxelles :
Mardi 25 Septembre 2018 - 2:18:44