Accueil du site La Tribune
 
Août 2019
LMMJVSD
2930311234
567891011
12131415161718
19202122232425
2627282930311

Hafatry ny Filohan’ny FJKM Nov 2018

Article publié le mercredi 26 décembre 2018.


Hafatry ny Filoha / Nov 2018 VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA !

Fa ny filazantsara

No hany lalam-pamonjena

Hahasoa ny firenena.

Fa raha toa i Jesoa no hadino

Sy tadiavina hosoloana

Fikambanana tsy hay,

Mety hirantsana eran-tany

Sy malaza ho mahery,

Ary fantatra ho kalaza

Amin’ny herim-pahalalany ;

Ho very isika mianakavy .

Fa raha toa I Jesoa no hadino

Sy tadiavina hosoloana

Fivavahan-kafa indray,

Na toa inona harena

Sy vola be izay mety homeny

Sy hatobany amintsika :

Ho very isika mianakavy.

Raha I Jesoa, hoy aho, no hadino

Ka soloana zavatra hafa

Mody ambara ho volintsaina

Nefa fanompoana sampy,

Izay handrebireby antsika :

Ho very isika mianakavy.

Koa ianao Kristianina,

Tena tia ny firenena,

Mijoroa ianao, sahia

Hanatratra izato vina :

VONTOSY FILAZANTSARA

NY NOSY MADAGASIKARA

IRAKO Andriamahazosoa AMMI, Mpitandrina

Filohan’ny FJKM



Forum de l'article

M.K.M.B. M.K.M.B.-20 Date de heure de Bruxelles :
Dimanche 25 Août 2019 - 14:28:27